Actualités

Niaka-peo ny SEMPAMA Amoron’i Mania Tsy mamaly ny fitakiana natao ilay tambikarama nivoaka


  • Zoma 01 Jona 2012

Nanao valin-kafatra avy hatrany ilay filazan’ny Sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena mikasika ny fivoahan’ilay tambinkarama 50.000 Ariary isam-bolana isaky ny mpampianatra mpiasam-panjakana ny SEMPAMA tao Amoron’i Mania.

 Nambaran’izy ireo tao amin’ny Kianjan’ny 90 Ariary Ambositra omaly alakamisy 31 mey fa tsy mbola mamaly ny fitakian’izy ireo io tambinkarama avy amin’ny Fanjakana io. Feno fanambakana ny mpampianatra izy io, hoy ny mpitarika ny fitokonan’ny mpampianatra tao Ambositra satria 7 volana fa tsy 12 volana no nikajiana azy io. Mikasika ny antson’ny ministera hiverenan’ny mpampianatra hampianatra dia hentitra ny SEMPAMA ao Amoron’i Mania fa tsy hiverina izy ireo raha tsy voaray ho mpiasam-panjakana avokoa ireo mpampianatra zandriny tsy mbola mpiasam-panjaka toy ny FRAM, ECD, “Vacataires” rehetra ary mpampianatra Pré-scolaires. “Vahao aloha ireo olana ireo dia hiverina any an-dakilasy agnay mpampianatra”, hoy izy ireo.

Nohamafisin’ny SEMPAMA ao Amoron’i Mania hatrany ny tsy maintsy hanemorana ny datim-panadinana mba hananan’ny mpianatra diplaoma ara-drariny. Tsy mbola nahazo ny “vacation” Bepc 2011 sy “subvention” FRAM volana martsa sy aprily ary ny vola fampiana ho an’ireo mpampianatry ny CEG sy Lisea ny ao Amoron’i Mania hatramin’izao. Mitohy anio zoma 01 jona ny fitokonana ary mbola mikatona ny ankamaroan’ireo sekolim-panjakana any an-toerana fa mbola vitsy ireo mpampianatra miverina miasa.

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT