Actualités

Nentin’ny mpanampy nitsoaka Hita teny Soavimasoandro ilay zaza


  • Zoma 27 Mey 2022

Raharaha be vao hita ilay zazakely nentina mpanampy vavy nitsoaka nanomboka ny alarobia hariva lasa teo. Noho ny hamaroan’ny fifampizarana teo amin’ny facebook sy ny fanapariahana ny sarin’ilay mpanampy sy ilay zaza anefa

 dia hita soamantsara omaly hariva izy. Teny Soavimasoandro no nahitana azy mianaka voalohany saingy tafaporitsaka ilay mpanampy. Nifanampy hatrany anefa ny olona ka tratra teny Ambohimanarina ilay vehivavy mpanampy tsy mataho-tody. Raha tsiahivina dia nitaky volabe tamin’ireo Ray aman- dRenin ity zaza ity ilay mpanampy omaly maraina antony nahafahana namantatra ny toerana nisy azy ireo tamin’ny alalan’ny finday nampiasainy. Efa tafaverina soamantsara eo anivon’ny fianakaviany moa ilay zaza raha efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana kosa ilay mpanampy. Tao amin’ny Facebook moa no nahitan’ny Ray aman-dRenin’i Faraleman io mpanampy vavy nitaiza azy io ary vao 5 andro moa no niasany tao amin’izy ireo. Tsy nisy nahafantarana ny mombamomba ity vehivavy ity noho izany. Eny Iavoloha izy ireo no mipetraka.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay zaza tsy manantsiny
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT