Notapahan’ny fivoriamben’ny Firenena mikambana ho andro iraisampirenena ho an’i Nelson Mandela ny 18 jolay nanomboka ny volana novambra 2009.
Mankalaza io andro nahaterahan’ny mpitari-tolona maherifo nametraka ho ambony hatrany ireo soatoavina maha olona, indrindra ny famongorana ny fanavakavaham-bolon-koditra nisy tao Afrika Atsimo ity avokoa moa ny ankamaroan’ireo firenena manerantany. Tsy diso anjara amin’ny fanamarihana ny datin’ny 18 jolay 1918 fahatsiarovana an’i Nelson Rolihlahla Mandela ihany koa isika eto Madagasikara izay hifandrombonan’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana sy ny masoivohon’i Afrika Atsimo. Anisan’izany ny hetsika eny amin’ny Lycée teknika Ampasampito sy ny fampirantiana mandritra ny 5 andro eny amin’ny Institut d’Etudes Politiques Ampandrana. Tena nampiavaka ity filoha mainty hoditra afrikanina tatsimo voalohany voafidim-bahoaka tamin’ny fomba demokratika ity ny ady maharitra nataony ho an’ny fandriampahalemana. Natokan’i Madiba hampanajana ny zon’olombelona, ny rariny sy hitsiny ary ny demokrasia tokoa mantsy ny 67 taona tamin’ny fiainany.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.