Actualités

Naza Electronic Tsaralalana Nipoahan’ny baomba vita gasy omaly


  • Zoma 04 Mey 2012

Nahitana fipoahana baomba vita gasy indray omaly tokalandro tokony ho tamin’ny roa ora tany ho any, teo amin’ny Naza Electronic Tsaralalŕna, tranombarotra tantanan’ny Karana.

 Teo amin’ny varavaram-pitaratr’ilay tranombarotra fivarotana fitaovana elektrônika toy ny fahitalavitra, radio, camera, fakantsary nomerika avo lenta no nipoaka ilay baomba. Lehilahy iray hividy fitaovana tao anaty fivarotana no naratra vokatry ny fipoahana ary ny tongony roa no nahitana potika vy kely avy amin’ilay baomba ka avy hatrany dia nalefa teny amin’ny hopitaly izy. Vaky koa ny fitaratra lehibe anoloana an’ilay tranombarotra. Dia nisy fiara izay an’ny mpiasa ao ihany, nipetraka tety ivelany, mbola nahitana fahasimbana koa.

Ny Polisin’ny Boriboritany voalohany sy ny avy amin’ny Zandarimaria no tonga avy hatrany nijery ifotony ity trangan-javatra ity niaraka. Hita teo amin’ny “camera de surveillance” na fitaovana fakan-tsary fitiliana ny olona nahavanona ny loza izay efa karohana amin’izao fotoana izao. Ny Jeneraly Richard Ravalomanana avy amin’ny Emmo-Reg dia nanambara teny an-toerana omaly fa mety misy hifandraisany tamin’ireny taona 2009 ireny izao trangan-javatra izao ka manao antso avo amin’ny olona rehetra ny tenany mba ho tony sy tsy hisafoaka fa tokony ho mailo raha vao mahita harona plastika na zavatra mampiahiahy tavelavela amin’ny toerana iray ary mampandre ny mpitandro ny filaminana avy hatrany.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT