Nitolo-batana teny amin“ny Sampana miady amin“ny heloka bevava Sakelika voalohany teny Anosy ny tovolahy iray 27 taona ny 20 jona lasa teo tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro rehefa avy namono olona.
Raha tsiahivina dia nisy resaka tsindron’antsy niseho teny amin’iny faritra Androndra iny ny alin’ny 19 jona teo tokony tamn’ny 9ora alina ka lehilahy iray 27 taona no namoy ny tamin’izany. Niaraka moa izy roalahy mpinamana tamin’io fotoana io ary nifampitaona ny handeha hivoaka. Nampiandry ilay maty anefa ity tovolahy iray ity ary nilaza fa handeha haka vola any an-tranony vetivety. Rehefa niverina ny tenany dia antsy anefa no novimbininy fa tsy naka vola araka ny nolazainy izany izy. Nanindrona antsy avy hatrany ilay namany izay mbola variana izy ka voatsindrona teo amin'ny lamosiny, ny kibony ity farany, antony nampivoaka ny tsinainy.Tsindron’antsy nahatratra enina no hita tamin’ny vatan’ilay tovolahy. Rehefa vita ny asa ratsin’ilay tovolahy namany dia nandositra izy. Tonga teny an-toerana moa ny Polisy miandraikitra iny toerana iny nijery ny zava-misy. Taorian’ny fikarohana natao moa, ny ampitso 20 jona dia tonga nitolo-batana tety amin’ny Polisin’ny Bc Anosy ilay tovolahy. Araka ny fantatra dia maro ny nahare ilay trangana famaliana nifanaovan' izy ireo ny alina nisehoan’ilay famonoana. Resaka fialonana sy ny lonilony no fantatra fa antony namonoany ity farany.Natolotra ny Fampanoavana omaly 23 jona ilay tovolahy ary notanana am-ponja vonjy maika eny Antanimora.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay tovolahy nahavita namono nahafaty ny namany noho ny fialonana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.