Actualités

Narisoa Rajaonarivony Nodimandry omaly maraina


  • Alatsinainy 28 Febroary 2011


Tampoka toy ny tselatra no nandrenesan’ny mpanara-baovao omaly ny nahalasanan’i Narisoa Rajaonarivony. Ny zoma alina teo mantsy dia mbola nivahiny tao amin’ny fahitalavitra Tv Plus ny tenany nilazalaza ny fijeriny ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Praiministra lefitra misahana ny Fitantanam-bola sy ny vola tao amin’ny governemanta Sylla taorian’ny raharaha 2002 i Narisoa Rajaonarivony. Ny fiandohan’ny volana oktobra io taona io ihany anefa dia noesorina ny tenany.

Taorian’izay dia ambasadaoro malagasy tany Washington izy. Ny toerana notanany farany dia ambasadaoron’i Madagasikara tany Frantsa. Nilaza ny tenany tao amin’ny Tv Plus ny zoma teo fa tsy toe-tsainy velively ny hanao izay hamotika sy hanahirana ny vahoaka malagasy. Araka ny loharanom-baovao dia nivoaka avy ao amin’ny trano fidiovana ny tenany omaly maraina no tratry ny tsy fahasalamana, nitsahatra tampoka ny fitempon’ny fony, ka izao niafara amin’ny fahafatesany izao.

Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT