Trano maromaro niorina teo amin’ny tanin’ny minisiteran’ny fambolena eo Nanisana, fanaovana andrana, no indray narodana omaly. Fanatanterahana didim-pitsarana no antony, araka ny fanazavan’ny vadintany. Tonga teny an-toerana ny Emmo-Reg niaro amin’izay mety ho fihoaram-pefy. Mbola maro rahateo ireo tsy niala tamin’ny trano na efa vonona tamin’ny fitaovana, tsy nihemotra tamin’ny fandravana aza ny ira-panjakana. Nisy ny fampiasana baomba mandatsa-dranomaso nanaparitahana ny olona teny an-toerana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.