Naniratsira mpitsara

> “Agent d’affaires” iray voatana am-ponja 15 andro


  • Talata 13 Aogositra 2013

“Tsy miraharaha izany ‘procureur’-nareo izany aho, raha mila ahy izy dia asaivo maketo amin’ny fitsarana”.

Izay no teny nataon’ilay “Agent d’affaires” raha nifamaly tamin’ireo mpisolovava tao amin’ny Lapan’ny Fitsarana Toamasina ny faran’ny herinandro teo nandritra ny fitsarana raharaha ady tany, ka niteraka sakoroka mihitsy. Izay teny izay anefa no nahatezitra ny fampanoavana satria midika faniratsirana mpitsara, ka nahatonga azy ireo nitory avy hatrany. Natao avy hatrany adin’ny roa taorian’ny sakoroka ny fitsarana ilay “Agent d’affaires”, ary ny filohan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina mihitsy no nitarika ny raharaham-pitsarana. Taorian’ny adin’ny iray nifanazavana teo amin’ny notoriana sy ny fampanovana mpitory noho ny faniratsirana, dia namoaka didy ny fitsarana fa “mifonja 15 andro ao Ambalatavoahangy” ity “Agent d’affaires” ity. Araka ny angom-baovao anefa, dia tsy ny lehiben’ny fampanovana voatonona no nitory tamin’izao raharaha izao, fa ilay lefitry ny lehiben’ny fampanovana noho ilay faniratsirana mivantana nahazo azy teo anivon’ny fitsarana.

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT