Raha ny antontan’isa dia manodidina ny 80%-n’ny mponina any amin’ny Distrikan’i Toliara II no mbola manao maloto ankalamanjana ary vitsy manana lavapiringa. Mitsitokotoko etsy sy eroa ny diky.
Ny talata lasa teo tany Sarodrano dia zazalahy efatra taona nangery amoron-dalana no saika lanin’ny kisoa ny filahiany hatramin’ny vihy roa. Iny variana nikaka iny indrindra ilay boay kely no avy tampoka ny kisoa iray nitrongy azy ary nihinana ny malotony, saingy rehefa nitrosona feno diky ilay zaza dia nolelafin’ilay biby ary saika narapany hatramin’ny voapilahiany. Raha tsy voavonjy haingana dia lanin’ity kisoa ity ny hena manta ary asa ny nanjo an’ity zaza nangery amoron-dalana.
Anatra ho an’ny olona manao maloto eny rehetra eny izao tranga tao Sarodrano izao, saingy inona moa no fantatry ny ankizy amin’izay fahadiovana raha tsy ny lehibe no mampianatra azy. Mbola maro ny kisoa sy biby hafa ompiana no mirenireny amin’izao any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, ka mampirongatra ny parasy sy aretina hafa. Azo isaina amin’ny rantsan-tanana ihany koa ny olona avy nanao maloto no misasa tanana. Ny fanaovana maloto ankalamanjana sy tsy fitandrovana ny fahadiovana anefa dia manamora ny firongatry ny valan’aretina isan-karazany toy ny fivalanana, toy ny tranga hita ao Fiherena Masay, Kaominina ambanivohitr’i Manombo Atsimo ka mampandamaka ny mponina.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.