Renim-pianakaviana iray no nodimandry taorian'ny fampidirana "violon" azy tao Manandriana ny 02 Janoary 2021 teo.
Fifamaliana tamina Polisy iray noho ny fanakanana ny vadiny tsy hisotro toaka hiaraka tamin'ny Polisy no antony nampidirana toeram-pamaizana azy. Voalaza fa mamono mantsy ity vadiny ity rehefa mamo, antony nanakanany azy tsy hisotro taoka. Efa eo am-pelatanan'ny mpitandro filaminana ny fanadihadiana rehetra ary nilaza ny Talem-paritry ny filaminam-bahoaka Commissaire Principal de Police Mandiamanana Heriniaina any an-toerana fa tsy miray tsikombakomba amin'ny ratsy ny Polisim-pirenena ary handray ny andraikitra manandrify izany. Omaly, naneho ny fiaraha-miory amin’ny fianakaviany, ary nirary fiononana feno ny Minisitry ny filaminam-bahoaka sy ny Fianakaviam-ben’ny Polisim-pirenena, araka ny fanambarany omaly. Ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka dia efa nandray ny andraikitra tandrify azy ka nanokatra fanadihadiana anatiny eo anivon’ny Inspection Générale de la Police Nationale (IGPN) ho an’ilay Polisy nampiditra “violon” ity Renim-pianakaviana ity sy izay mety ho niray tendro taminy, hoy ny fampitam-baovao. Ny Polisim-pirenena dia miasa hatrany ao anatin’ny fanarahan-dalàna ka tsy miray tsikombakomba amin’izay Polisy manao fahadisoana, manao fandikan-dalàna, ary manamafy hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka ao amin’ny Distrikan’i Manandriana, hoy io fampitam-baovao io. Misy ihany koa ny laharana hahazoana ny Polisim-pirenena raha toa ka misy ny Polisy manao fandikan-dalàna hitantsika eny anivon'ny fiaraha-monina eny, ka 034 15 367 20 no ahazoana ny Inspection Générale de la Police Nationale.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.