Actualités

Nanaratsy minisitra Migadra iray volana sazy mihatra ilay Prezidam-piangonana


  • Zoma 12 Aogositra 2011

Resaka teny niampita izay voalaza fa “fanaratsiana” ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary tao am-piangonana no nampidoboka am-ponja an-dRakotondratsima Gabriel na i Gaby, ny Prezidan’ny fiangonana EKAR any amin’ny Kaominina Didy.

 Niakatra fitsarana mihitsy ny raharaha ka ny talata 9 aogositra teo no nivoaka ny didy tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Ambatondrazaka izay manameloka azy iray volana an-tranomaizina sazy mihatra. Fanararaotam-pahefana no andraisan’ny fianakavian’ilay Prezidam-piangonana ny zavatra natao azy ireo. Ny 13 jolay no voasambotry ny zandary tany amin’ny tanimbariny ingahy Gaby. Ny 15 jolay tonga dia nalefa tany amin’ny fonjan’Ambatondrazaka izy. Nambaran’ny mpisolovavany fa teny tsotra no nataon’ingahy Prezidam-piangonana dia hoe : “tsy tokony hiresahana ny zavatra vitan’ny tena manokana ao am-piangonana ny ôtely fa toerana masina”. Toa nahatsiaro voatsindron’izany teny izany angamba ireo olona akaiky ny minisitra ka nitatitra ny resaka tany aminy. Velon’ahiahy ihany ny fianakavian’ingahy Gaby amin’izao fampidirana am-ponja azy izao, sao dia finiavana hanimbana azy noho izy mikasa hirotsaka hofidiana Ben’ny tanàna ao Didy no antony nanagadrana azy. Fantatra fa amin’ny herinandro ambony io no mivoaka ny fonja any Ambatondrazaka ingahy Gaby.

 

Nanonin’i Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT