Actualités

Nampitandrina ny Filohan’ny SMM “Hajao ny fahaleovantenan’ny Fitsarana”


  • Zoma 28 Janoary 2022

Tontosa tamin-pirahalahiana tanteraka omaly alakamisy 27 janoary 2022 ny fiamindram-pahefana nataon’ny Filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) teo aloha Atoa Jaona Clément tamin’Andriamatoa

 Mbitanarivo andriantsihorisoa, Filoha vaovaon’ny SMM mandritra ny 3 taona ho avy. Teboka telo no nasongadin’ny Filoha vaovao tamin’ny lahateny nataony: Ny mahasarotiny ny mpitsara rehetra amin’ny fanajàna ny Fanjakàna tan-dalàna sy indrindra indrindra ny fanajàna ny fahaleovan-tenan’ny Fitsarana ka ahafahany mampanjaka tokoa ny marina amin’ny didy avoakany; mampahatsiahy ny Fahefana mpanatanteraka fa efa nisy ny zavatra tinapaka nanomboka tamin'ny taona 2012 (Assises des magistrats) nohamafisina tamin'ny taona 2017 (sata mifehy ny mpitsara) ka tokony hijereny akaiky izany, ary ny hanaovan’ny sendika hetsika manokana sy mitohy hiadiana amin’ny kolikoly sy hamerenana indray ny fitokisan’ny vahoaka. “Mampitandrina ny governemanta sy ny fahefana mpanatanteraka tsy hitsabaka amin’ny raharaham-pitsarana, ka hanaja ny fisaraham-pahefana. Aoka re hitsahatra ny fitsabatsahabana na raharaha manao ahoana na ahoana. Avelao hanao ny asany ny fitsarana,.. Aza atao rano dikain’ny zinga ny zavatra efa nifanarahana. Tsy hanaiky intsony ny famezivezena, fa aoka hotanterahina ny zavatra efa tapaka, izay sokajiana ho fitohizan’ny raharaham-panjakana”, hoy io filohan’ny SMM vaovao io nanamafy. Farany dia nanao antso avo amin’ireo tsara sitrapo rehetra ny Filoha vaovaon’ny SMM hifanome tanana mba ho tombony ho an’ny vahoaka malagasy satria amin’ny anarany tokoa no hamoahana didy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT