Actualités

Nampiaka-peo indray ny SMM “Aza itsabatsabahana ny raharaham-pitsarana”


  • Alarobia 23 Febroary 2022

Namoaka fanambarana mitondra ny laharana 04-SMM/P.22 indray ny SMM (Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara) tarihin’ny Filohany Mbitanarivo Andriantsihorisoa omaly 22 febroary 2022.

 Votoatin’io ny fampitandremana sy ny hanatsaharana tsy misy hatak’andro ny fitsabatsabahana amin’ny raharaham-pitsarana. Hatramin’ny nandraisany ny andraikiny dia maro sahady ireo mpitsara namana miasa eny amin’ireo ambaratongan-mpitsarana isan-tsokajiny no nanatona ny Sendika nitatitra ny tsindry, famendrofendroana, eny fandrahonana mihitsy aza ataon’ny manampahefana isan-tsokajiny, izay olom-pantatra na mora fantarina, amin’izy ireo mba hanodina ny fizotry ny raharaham-pitsarana, indrindra indrindra ireo raharaha mafampana izay efa fantatry ny rehetra, hoy ny fanambarana. Noho izany, mampahafantatra ny Sendika fa efa mandray an-tanana ny tohiny omena ireo fanitsakitsahanina tsy azo leferina ny fahaleovantenan’ny Fitsarana ireo. Mampitandrina ireo olona ireo anatsahatra tsy misy hatak’andro ny fitsabatsabahana amin’ny raharaham-pitsarana. Mamporisika ireo mpitsara hitahiry ireo tsindry sy fandrahonana an-tariby ahafahana manolotra izany eo am-pelatanan’ireo tompon’andraikitra mahefa amin’ny fotoana mahamety izany ny SMM. Mamporisika hatrany ihany koa ireo mpitsara izay iharan’ny tsindrihazolena hanatona tsy am-pihambahambana ny Sendika izay miray hina amin’izy ireo hametraka Fitsarana mahaleo tena, madio sy mangaraharaha. Manao antso avo ny hanendrena mpitsara mahitsy sy vonona hiady ho an’ny fahaleovantenan’ny Fitsarana ho Ministry ny Fitsarana, hoy ny fanambarana.

Toky R

Tahirin-tsary

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT