Actualités

Namono sy nitetika ny vadiny Asa an-terivozona mandra-maty, onitra 48 tapitrisa Ar


  • Talata 22 Desambra 2020

11 volana taorian'ny namonoany ny sakaizany tamin'ny fomba feno habibiana ka

 

 

 

nitetitetehany an'Itompokolahy Andry dia niatrika ny Fitsarana ilay vehivavy sy ireo mpiray tsikombakomba taminy. Nivoaka ny didin'ny "Cour Criminelle Ordinaire" ka voaheloka hiasa an-terivozona mandra-pahafatiny i ramatoakely Hajatiana Setrimalala Todisoa Faraniaina Salomée antsoina hoe Malala sy handoa onitra 48 tapitrisa Ariary ho an'ny vady sy ny zanany mianadahy kely, raha ny fampitam-baovaon’ny depiote Hanitra Razafimanantsoa voafidy tao amin’ny boriborintany voalohany omaly. Nohafahan'ny Fitsarana madiodio ireo 2 lahy nolazaina fa niray tsikombakomba, rehefa niezaka nanala azy ireo i Malala nandritry ny fotoam-pitsarana. Ny Fitsaran'olombelona iny vita androany iny fa ny Fitsaran'Andriamanitra mbola hafa koa. Mbola mankahery ireo vady aman-janany sy ny reniny ary ny fianakaviany, hoy io solombambahoaka io.

NOVELESINA “BOIS ROND”, NOTSINDRONINA ASIDRA

 Raha tsiahivina ny tantara, dia faty efa maimbo natao tao anaty gony nampidirina tao anaty taxi ny 02 janoary 2020, saingy namoaka fofona niteraka ny ahiahy sy nitarika tamin’ny fahatratrana. Voalaza fa nokapohana tamin'ny "bois rond" no nahafaty ilay lehilahy, avy eo notsindronina tamin'ny asidra sy “formol” sy notetehana, ary nofatorana tao anaty gony. Nokasaina hodorana eny Alakamisy Fenoarivo, saingy sarona teny Andavamamba ehefa nentina tamina taxi. Lehilahy 3 sy vehivavy 1, izay tsy iza fa vadiny no voasambotra taorian’izay. Nampidirina Tany Tsiafahy izy 3 lahy, ary teny Antanimora kosa ilay vehivavy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT