Actualités

Namoaka karazana fanehoan-kevitra tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, ao anatin’ny mbola fisiana fahatapahana herinaratra sy rano ny ministeran’ny angovo sy ny akoranafo milaza fa


  • Talata 14 Desambra 2021

mandalo sedra mafy ny tontolon'ny angovo amin'izao fotoana izao. Miaiky ny ministera tompon’andraikitra fa maro no mimenomenona ny amin'ny tolotra omen'ny Jirama ary misy aza ny simba fananana mihitsy noho ny amin'izany

. Maro ny olona nifanesy samy nikaroka vahaolana entina hanatsarana azy fa hatreto aloha dia mbola ratsy ny vokatra, hoy ny fanambarana.Mila fandavan-tena, fahavononana, fahasahiana fa indrindra faharetana ny fanarenana ity Orinasam-panjakana ity.
Politika vaovao no hitondran'Andriamatoa Ministra Ramaroson Andry Heriniaina ny sehatry ny angovo ankehitriny dia ny fidinana ifotony miaraka amin'ireo ekipan'ny Jirama izany. Raha tia hamaha olana isika dia ny fijerena ifotony ny antony mahatonga izay no asa voalohany indrindra tsy maintsy atao. Tsy fitia tia hitsangatsangana no tanjona fa ny handinihina tanteraka ny fototry ny olana misy eny amin'ny toerana manana olana rehetra eto Madagasikara. Efa eo indrindra isika izao ka entanina mba haharitra kely satria dia olana efa am-polo taona maro no ezahana vahana tanteraka ankehitriny.
 

HAINTANY
Ankoatra izay koa anefa dia ao anatin'ny haintany tanteraka isika izao ka vao miha manampy trotraka ny olana efa nisy teo aloha izany, hoy ny ministeran’ny angovo. Efa nisy ny fandatsahana orana ary mbola hisy izany. Efa miketrika ny hamerenana indray ny fampandehanana ny tobim-pamokarana mandeha amin'ny herin'ny masoandro 20MW ao Ambatolampy ihany koa amin'izao. Ary efa tena kely sisa dia hiasa koa ilay tobim-pamokarana avy amin'ny riandrano 28MW ao Farahantsana. Mazava ny resaka eto fa tena mbola mafy ny ady ary tsy maintsy hisy hatrany ny fanelingelenana ateraky ny tsy fahatomombanan’ny famatsiana heriinaratra sy rano.NY tsirairay sy ny isan-tokantrano izany no mila mahay mandamina ny fiainana na mitady vahaolana hafa tahaka ny fampiasana angovo azo avy amin’ny masoandro arakaraky ny vola eoo am-pelatanana,Ny orinasa ihany koa izany dia efa mila mivonona manana vahaolana far aha ny Jirama aloha dia mbola lavitr’ezaka ny fanarenana.
 

Nangonin’i RTT

 

 

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT