Actualités

Namana mpanao gazety teholy martin Miantso tolo-tanana hiatrehana fandidiana


  • Zoma 24 Jona 2022

Misy taolana potika ao ambanin’ny ankihiben’ny namana mpanao gazety Teholy Martin, tranga izay mety hitarika amin’ny tsy fahafahan’ireo rantsam-batany rehetra hiasa intsony

raha sanatria ka tsy mahomby ny fandidiana hatao aminy ao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Io no vokatr’ilay lozam-pifamoivoizana nihatra taminy omaly tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro teny Ankazotokana raha iny nandeha dia an-tongotra iny. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nisy plaque publicitaire nandona azy. Nianjera tany amin'ny arabe izy vokatr’izany saingy tamin’io fotoana io no nisy fiara nanitsaka ny tanany ary raha nisy kely foana dia vatany iray manontolo ny notetezin'ilay kodiarana. Naratra mafy noho izany ny tanany ankavanana. Nasaina nentin'ilay fiara nanitsaka azy tany amin'ny hopitaly izy nandritra izany saingy nony tonga teo aloha dia navoakan'ilay fiara fa hoe tsy andraikiny, hono, na dia efa naratra mafy aza izy. Lasa nitsoaka toy tsy teo ilay fiara taorian’izany hoy ireo nanatri-maso ary mbola tsy hita. Hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly dia volabe sahady no efa lanin’ity mpanao gazety ity hitsaboany tena. Mangataka tolo-tanana amintsika namana rehetra araka izany ny tenany mba hahafahany manatanteraka ny fandidiana tokony hatao aminy.Ny laharam-pinday 034 28 003 65 moa no hahazoana azy no sady misy M Vola amin’ny anaran-dRatolojanahary martin sebastien. Manohana akaiky izao fanampiana ny namana mpanao gazety Teholy izao moa ny holafitry ny mpanao gazety, tarihin-dRaharimbola Monica. Mpanao gazetin’ny Midi Madagascar kosa ny namana Teholy raha tsiahivina.
Nangonin’i Pati
Legende : Mila fandidiana haingana ny tanan’ ankavanan’i Teholy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT