Nanao fanambarana manohitra ny fanambarana ampahibemaso natao tato ho ato, ary mandà ireo filazana mifandraika amin’ny andraikiny amin'ny tontolo iainana ny ny Orinasa Rio Tinto QMM.
« Manamafy hatrany ny fifehezany ny fitantanana ireo fotodrafitrasa ao aminy tsy hisy fiantraikany ratsy amin’ny tontolo iainana manodidina azy. Ny valin'ny fanadihadiana nataon'ny QMM sy ny laboratoara mahaleotena nodidian'ny fanjakana dia mitovy ary mampiseho fa mifanaraka amin’ny fenitra takiana eto amin’ny firenena », hoy ny QMM araka ny fanambarana nataony tany amin’ny Foibeny any Taolagnaro omaly 03 mey lasa teo. Nomarihina fa ny tahan’ny alimo avo izay voalaza fa hita dia tamin’ny toerana tsy nanaovana famotsoran-drano. Ny QMM dia misokatra tanteraka amin’ireo sampan-draharaham-panjakana sy ireo mpiandraikitra ny fahasalamana amin'ny fanadihadiana fanampiny izay heverina fa ilaina. Mamporisika ihany koa ny manam-pahefana fa indrindra ireo any an-toerana mba hanamafy ny fitiliana izay mikendry ny ahafantarana ny loharano tena nahafaty ireo trondro, hoy io orinasa io. Manoloana izany indrindra, ny QMM dia miarahaba manokana ny fitondram-panjakana amin’ny fanapahan-kevitra ny hananganana laboratoara mahaleotena ao Taolagnaro, izay hanamafy ny fangaraharana irin’ny mpiara-miombon’antoka rehetra. Hatreto, ny fitiliana biolojika maro natao sy nampitain’ny QMM tamin'ny manampahefana dia manamafy ny tsy fisian'ny fiantraikany amin'ny tontolo iainana na amin'ny trondro avokoa, hoy ny fanambarana. Ny QMM dia mino fa ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny valin’ny fanadihadiana nataon’ny fanajakana dia tokony zaraina farak’izay haingana ampahibemaso, ho fanajana ireo mponina eny an-toerana sy hofanomezan-danja ny fahamarinana, hoy ity orinasa goavana amin’ny fitrandrahana fasimainty ity. Ny faran’ny herinandro teo moa dia nisy ny sokajin’olona nahitana olom-boafidy nanebaka mafy sy naneho fa tsy maintsy hofaizina ny QMM.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.