Tsy hangina ny fikambanana HAFARI Malagasy mandrapibaboky ny solombavambahoaka Naivo Raholdina aminy mikasika ny zavatra tsy nety nataon’ity farany. Haneho ny hevitro isan’andro sy hamoaka ny alaheloko aho ary tsy hijanona amin’ny alalan’ny gazety ihany fa hitohy hatrany amin’ny haino aman-jery, hoy izy. Eo am-pikarakarana ny horonam-peo sy horonantsarimihetsika mifandraika amin’izany izy ireo ankehitriny izay haparitany tsy ho ela.
TSY MENA-MIVADIKA
Tsy mena-mivadika ny solombavambahoaka Naivo Raholdina, hoy ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy. Tsy lany solombavambahoaka izy raha tsy teo ny fikambanana HAFARI Malagasy izay tena nitalahoany hanampy sy hanohana azy. Ny nifanarahana sy ny fepetra napetraka teny am-piandohana dia ny hiaro ny vahoaka nefa lasa very an-jambany fotsiny izany ankehitriny. Tsy tanteraka avokoa izay rehetra nampantenainy ka nandiso fanantenana ny rehetra. Ohatra noraisin-dRafanomezantsoa Jean Nirina ny vahoakan’i Bagdad izay nampanantenainy fa lehilahy izay afaka manala ny mpivarotra eto, teo anatrehan’ny mpanao gazety nefa lasan’ny orinasa Jovenna ihany ny tany ankehitriny. Toraka izany koa ny vahoakan’i Nanisana izay rava ihany ny tranony na dia efa niady mafy aza izy ireo. Toraka izany koa ny kianjan’ny 80 lahy izay efa nohazavain’ny Ben’ny tanàna sy ny mpilalao fa tsy mibodo fananan’olona izy ireo. Ireo vahoakan’Ankadimbahoaka izay nampanantenainy fa harovany nefa tsy nisy na inona na inona hatreto. Tsy hitako izay asa mivaingana vitan’ity solombavambahoaka ity, hoy izy. Nasiany resaka manokana ihany koa ny fampanantenan’ity solombavambahoaka ity ny fanohanany an-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy tamin’ny filatsahany ho Ben’ny tanànan’Antananarivo saingy nivadihany rehefa nolazainy fa miaraka amin’ny fahavalony ary Ramatoa Lalatiana Ravololomanana indray no notohanany. Antony nampihenan-danja be dia be ny vato azon’iry kandida voalohany izany. Toraka izany koa ny fanohanany ny filoha Hery Rajaonarimampianina izay nivadihany ihany koa nefa niantsoany anay nanaovany sakafo be tany an-tokantranony…Mivoaka ihany koa ankehitriny ny tsiambaratelo mikasika ilay volabe tratra tany amin’ny solombavambahoaka Lanto Rakotomavo nosakanan’ny Emmoreg izay mbola mampametra-panontaniana ny maro. Tsy olona azo itokisana ny solombavambahoaka Naivo Raholdina, hoy hatrany Rafanomezantsoa Jean Nirina.
TSY MPIASAN’NY FANANANTANY
Nambaran-dRafanomezantsoa Jean Nirina ihany koa fa tsy mpiasa ambony ao amin’ny sampandraharahan’ny fananantany izany i Naivo Raholdina. Midika izany fa lainga avokoa no afafiny. Tsy izy velively no afaka hanakana ahy tsy handray andraikitra amin’ny fampandrosoana ny fireneko. Betsaka ny zavatra nataoko ary mbola manana taona maro aho hijinjako izany, indrindra ny fambolena fitiavana nasiana zezika teny anivon’ny fiarahamonina izay mandala hatrany ny fihavanana Malagasy. Napetrako ny fanetren-tena sy ny fandeferana. Na izany aza, tsy maintsy miteny sy mamaly ny tena ankehitriny satria avo lenta loatra ny tsindrihazolena ataon’ny solombavambahoaka Naivo Raholdina eto amin’ny firenena izay tsy maintsy toherina. Ny mampametra-panontaniana ihany koa dia tsy fantatr’ity solombavambahoaka ity akory ny atao hoe fiarahamonim-pirenena. Na dia ireo mahantra sy mavomavo mpatory an-tsena aza mantsy dia afaka mandray andraikitra eto amin’ny firenena avokoa fa tsy voatery ireo manampahaizana sy mahitahita ihany. Raha ohatra ity solombavambahoaka ity avokoa ny olona eto amin’ny firentsika dia tsy handroso mihitsy i Madagasikara satria potehina izay manao zavatra sy te-hampandroso, hoy hatrany izy.
TRAKTA
Mikasika ireo karazana trakta alefa paositra entina hanimbana sy hamotehana ny fikambanana HAFARI Malagasy, indrindra ilay tetikasa fifindra-monina tanterahiny eny Soaniedanana dia nanambara Rafanomezantsoa Jean Nirina fa efa fantany ny olona manao ireny trakta tsy misy sonia ireny ary olona nangalatra tao amin’ny fikambanana tarihiny ihany no namoaka ny hevitra. Na izany aza, madio ny eritreritro, tsy nangalatra aho. Niainga tamin’ny tsy nisy ny fikambanana HAFARI Malagasy no tonga amin’izao toerana misy azy izao. Mikasika ny kara-tany indray dia nomarihiny manokana fa hiarahana amin’ny Ben’ny tanàna any an-toerana ny fikarakarana azy. Tsy misy ny zavatra tonga ho azy ary tsy vita indray andro izany satria mametraka lova sy herim-po ho an’ny taranaka. Miantso ity solombavambahoaka ity hifanatrika aminy, araka izany, Rafanomezantsoa Jean Nirina raha tena lehilahy izy ary miantso ny hamoahana ireo fitoriana miisa 15 voalaza fa natao azy ihany koa raha tena misy marina. Tsy mbola nanaratsy izahay hatramin’izay. Notsindriany moa fa efa namory vahoaka tany Antsirabe ity solombavambahoaka ity, saingy tsy nahavita namonjy ireo akory izy. Miantso ireo olona manana raharaha momba an’i Naivo Raholdina ny tenany mba hanatona azy ireo hanaovany azy.
TSY OLOM-BOAFIDY AHO
Tsy olom-boafidy aho fa afaka manao izany amin’ny fotoana ilako azy. Ny mpitondra ankehitriny dia mety mbola hoentina indray andro any. Te-hanadio ny toe-tsainy aho mba hanadio azy tanteraka. Notsiahiviny manokana moa fa rafitra tsy tokony hozimbazimbaina ny huissier de justice sy ny geometre expert saingy nataon’ny solombavambahoaka Naivo Raholdina izany. Ny tena ataon’ity farany dia ny hitaona vahoaka hibodo fananan’olona. Ny hitarika olona tsy hanara-dalàna… izay tena tsy mety mihitsy ho an’ny fanjakana tan-dalàna toa antsika. Nantitranterin-dRafanomezantsoa Jean Nirina moa fa tsy hangina ny tenany raha tsy milaza ny marina ny depiote Naivo Raholdina. Nisaorany manokana moa ireo vahoaka an-jatony miantso azy isan’andro mahita ny lahatsoratra an-gazety mivoaka isan’andro izay notsindriany manokana fa tsy raharahan’ny HAFARI Malagasy irery ny adin’izy sy i Naivo Raholdina fa an’ny vahoaka Malagasy. Azo atao ny miantso ny laharan-tariby 033 17 743 98 ho an’ireo te-hifandray mivantana amin’ity fikambanana mpiaro ny zon’olombelona ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.