Efa mizara mazava tsara ny Tetibola, ka ao ny an’ny toekarena sy sosialy fanatanjahantena,
dia samy mahazo ny anjarany. Aza manao fanoherana bontolo ianareo mpanohitra, mandeha ny adihevitra eny amin’ny parlemanta, betsaka ianareo no miala ilany. Avy eo be vava be any ivelany, hoy i Naivo Rahodina Depioten’ny Boriborintany fahadimy omaly raha nivahiny tao amin’ny TV Plus Madagascar izy. Mialona ny zavatra ataon’ny fanjakana amin’ny fanatanjahantena ny mpanohitra satria tsy nahazo laharam-pahamehana mihitsy hatramin’izay ny fanatanjahantena fa izao vao misongadina, hoy izy. Miankina amin’ny zava-misy ny fitondrana ny firenena sy ny fampiasana ny vola eo am-pelatanana fa tsy atao tsianjery maimbo akory. Raha misy zavatra mampiahiahy na hita fa tsy mety dia manadihady sy mitaky ny porofo izahay depiote, ka na iza na iza manao ny tsy mety dia tsy maintsy ampiharina ny lalàna na anaty fanjakana izy na mpanohitra fanjakana, hoy hatrany Raholdina. Mikasika ny olana ara- tany indray, dia nambarany fa i Naivo Raholdina tsy hamadika ny prezida Rajoelina izany mihitsy, saingy izaho kosa tsy manaiky ny tsindritsindry sy teritery ataon’ny olona milaza fa manodidina ny filoha Rajoelina, anisan’izany ny orinasa Telma, hoy izy. Misy zavatra tena mampihomehy tahaka ny tamin’ilay ady tany tao Antanandrano hoe nahazo onitra 6 miliara ariary ny orinasa Telma. Nanara-maso akaiky an’io raharaha io ny antemieram-pirenena dia lazaina fa Naivo Raholdina no mpanohitra, tsy mpanohitra aho fa manara-maso ny zava-misy amin’ny resaka olana ara-tany kosa ary tsy manaiky ny tsy rariny sy ny teritery. Misy fotoana rehefa tonga any amin’ny tribonaly ny raharaha ady tany dia misy teritery. Mazava ny hafatra avy amin’ity solombavambahoaka filohan’ny vaomieran’ny fananan-tany ity hoe : na inon-kihatra na inon-kidona dia tsy maintsy miaro ireo vahoaka ireo izahay. Tsy azo ekena ny tsindry hazolena, ianareo vazaha Sinoa sy Karana mipetraha tsara, ary hajao amin'ny taniny ny Malagasy fa ny tanindrazanareo any Chine sy Inde fa tsy hoe karana be “sponsor”-n’ny Barea ianao dia miseho milay eto, hoy i Naivo Raholdina nanangam-bovona.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.