Actualités

Naivo Raholdina Miantso ny hampiharana ireo lalàna momba ny fananan-tany


  • Zoma 18 Novambra 2022

Ny asan'ny solombavambahoaka eny amin'ny antenimieram-pirenena dia mitohy hatrany, hoy ny solombavambahoaka, Naivo Raholdina.

Ho an'ny vaomieran’ny fananan-tany izay tarihiko dia mitohy ny asa mahakasika ny fananan-tany, hoy izy. nosinganiny manokana ny raharaha ady tany etsy Antanandrano izay hifanandrinan'ny malagasy mpandova sy ny orinasa Telma. Ity tranga ity izay isany nananganana ny vaomiera mpanadihady ny olan'ny fananatany na ny "enquête parlementaire". Nandresy moa ireo mpandova tamin’ny fiakaran'ity raharaha ity fitsarana farany teo.Mandray hatrany ireo fitarainan'ny vahoaka ireo solombavambahoaka na dia misy aza ireo tsy voaray noho ny habetsak'ireo raharaha ady tany manerana ny nosy, hoy hatrany ny fanazavana. Nasian'ity solombavambahoaka ity resaka ny mahakasika ireo tolo-dalana momba ny fananan-tany izay efa nolanina'ny solombavambahoaka toy ny lalàna momba ny boky rovitra, ny “géomètre expert” izay mbola mihitsoka any amin'ny ambaratongam-pahefana mpamoaka “degré d'application”. Nanao antso momba io indrindra moa ny tenany satria manova zavatra maro ho amin'ny tombotsoan’ny malagasy ny fampiharana. Ireo no antony nanoloran'ny vaomieran’ny fananantany azy sy mbola nandanian'ny solombavambahoaka azy koa, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT