Anisan’ny nanamarika ity fitondrana tetezamita lava tao anatin’ny efa-taona mahery ity ny olana eo amin’ny sehatry ny fananan-tany. Matetika tokoa ireo filazam-baovao samihafa no mitatitra ny fifanolanana tany eo amin’ny olona na fikambanana roa samy hafa izay milaza ho tompon’ny tany ary manana taratasy fanamarinana momba izany.
Vao tsy ela akory no nisy rahateo hetsika notanterahana andian’olona milaza ny tsy fahafaliana sy alahelon’izy ireo amin’ny zava-misy iainana eto amin’ny firenena manontolo mikasika ity tranga iray goavana manimba ny fiarahamonina Malagasy ity. Manoloana ity olana amin’ny ady tany ity indrindra dia niaiky ny CST Naivo Raholdina ny amin’ny tsy fitoviam-pijery teo amin’ny kaomisiona misahana ny fananan-tany izay tarihiny ao amin’ny rafitra mpanara-maso sy ireo tompon’andraikitry ny ministera mpiahy ny fanajariana ny tany, rafitra mpanatanteraka teo aloha. Antony iray lehibe tsy nahafahana nijery ifotony ny olana io tandin-dokanga tsy nifandray teo amin’ny roa tonta io, hoy ny fanazavan’ity filohan’ny vaomiera miandraikitra ny fananan-tany ao amin’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita ity, teny amin’ny birao fiasany eny Anosy omaly. Efa nisy rahateo tolo-dalàna vahaolana mikasika ny fananan-tany naroso nandritra ny fivoriana nataon’ireo mpikambana CST ary nanasana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny tao amin’ity ministera mpiahy ity fa tsy nipoitra izy ireo, hoy ny fanampim-panazavana.
Ankehitriny dia resy lahatra ny parlemantera Naivo Raholdina fa hivaha an-tsakany sy an-davany ireo olana rehetra momba ny ady tany eto amin’ny firenena. Nanome toky moa ny tenany fa hanamafy hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka amin’ny alalan’ireo rantsamangaika mpanatanteraka eny anivon’ny Distrika, indrindra ireo olona manana olana eo amin’ity sehatra ity. Hitohy foana ireo asa fanadihadiana sy fanaraha-maso tanterahan’ny kaomisiona momba ity olana amin’ny ady tany ity, hoy ity mpikambana mpanao lalàna ity. Antenaina, araka izany, fa dia hivaha ara-potoana sy araka ny tokony ho izy ireo olana maro mifamahofaho momba ny ady tany eto Madagasikara.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.