Actualités

Naina Andriantsitohaina Nosoloiny ny iray tamin’ireo Ben’ny tanàna Lefiny


  • Alakamisy 01 Aprily 2021

Nifarana omaly ny andraikitr’Atoa Mamy Rajohnson, izay Lefitry ny Ben’ny Tanàna nisahana ny

 

 

 

« Affaires socio-culturelles et développement économique », iray tamin’ireo mpiara-miasa akaiky tamin’ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina teo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Colonel Naina Andriamanday no notendren’ity farany hanohy ny andraikitry ny Lefitry ny Ben’ny Tanàna sy handimby azy amin’izany toerana izany. “Misy fetrany ny zava-drehetra na dia tiana aza ny hiara-dalana hatrany ho fampandrosoana ny tanànantsika. Eo ihany koa ireo adidy sy andraikitra samihafa”, hoy ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina raha nanazava io fanoloana ny mpiara-miasa akaiky aminy io. Nisaotra sy nankasitraka feno an’Atoa Mamy Rajohnson tamin’ny ezaka rehetra niarahana nandritr’izay fotoana izay ity farany ary nirary soa azy amin’izay adidy hafa hiandreketany sy izay rehetra mbola kasaina. Solombavam-bahoaka teo aloha avy amin’ny Tiako I Madagasikara, voafidy tao Antananarivo III i Mamy Rajohnson talohan’ny nanohanany an’i Naina Andriantsitohaina tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna, sy niarahany niasa ka nanendren’ity farany azy Ben’ny Tanàna Lefitra.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT