Nahoana ary hoy ianareo no dia misisika mafy manampy olona iray ny Reny malala eto amintsika ? Dia mety ho tsy fitiavana an’i Dada fotsiny ve hoy isika ? Sao dia misy zavatra hafa tsy fantatry ny besinimaro ary ao, sady tsy fantatr’ireto mpanao politika miseho mitondra ankehitriny ireto ?
Angamba samy nahatsikaritra isika fa i Reny malala dia tsy mamela ny zanany handeha irery izany mihitsy. Na eto izany, na tao Cote d’Ivoire, na ao Libya, na Centrafrique na Congo … Inona no mahatonga izany ?
Aoka hazava amintsika fa mahazo tombontsoa ekonomika lehibe ry zareo raha tsy hilaza afa tsy ny eto amintsika isika. Eny, aleo hodiana fanina aloha ny cacao ao Cote d’Ivoire sy ny solika ao Libya. Inona no tsapanao hatramin’ny nitondran’i Dada an’i Gasikara ? Niha nisokatra tamin’ny firenena maro ny Malagasy. Ao ry Norvezy, Amerika ary indrindra ireto Aziatika bobaka be ireto. Vokany ??? Lasa nihamaro ny entana nohafarantsika avy any. Jereo anie ny fiarakodia e, lasa be Japoney sy Alemana be eto izao, raha tsy nisy afa tsy ry Reny malala teo aloha.
Ka tsy hita fa sady mora no mafy ny an’ny hafa koa, izahay ve dia tsy maintsy hividy ny anareo ? Mbola izay anefa no afaka, fa mbola betsaka ny tavela. Diniho fotsiny amin’ny mpahay fianarana eto anie e, vao mamiratra dia mianatra any amin-dry zalahy, dia avy eo lasa mpiasany. Aza gaga raha mangataka mafy izy ny mba hitazonana ny teniny hoentina mampianatra any amin’ny ambaratonga ambany. Etsy an-daniny dia misy ireto kaompania lehibe izay mahazo tombom-barotra mihoa-pampana eto amintsika. Aoka tsy hiteny ny anarany fa sao hanahirana.
Ny tena marina dia mpividy mahafatra-po isika Afrikanina nozanahiny, eny fa na ny akanjo efa nanaovany aza. Tsy aleo ve mba misokatra mijery ny hafa ihany sao dia mora ny any ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.