Actualités

Nahoana hoy ianareo ?


  • Zoma 24 Jona 2011

Nahoana hoy ianareo no tsy mety mivaha ny kirizy eto amintsika ? Efa roa taona mahery izao mbola sahirana foana isika Malagasy. Ny firenena sasany nefa manohy ny diany hatrany, isika mihemotra isan’andro. Aiza ary iza ny olana ny fijerinao azy ?

Misy amin’ireo lohandohany mantsy no tsy mba manaiky mandefitra na dia kely monja aza. Tsy nisy fifidianana nosedrainy, tsy nisy na inona na inona akory, dia milaza tena izy fa filoha. Noho ny hamoram-pon’ny mpifanandrina sasany nefa, dia nekeny izany raha ilaina. Azony indray izany, dia indro indray izy fa midongy ny hijanona eo faran’izay ela azony atao ary amin’ny fomba rehetra. Novainy ny lalàna mba hahafahany milatsaka na tsy ampy taona notakian’ny lalàmpanorenana aza. Ny sasany kosa, lazainy fa tsy afaka milatsaka intsony satria be loatra ny ratsy vitany teto amin’ny firenena. Asa aloha ny ho valin’ny fanadihadiana iraisam-pirenena fa ho hitantsika eo hoe iza no diso tamin’ireny fifampitifirana ireny e. Dia hanao ahoana indray re ny ho fikany e ?

Tsy vitan’izany fa ny seza rehetra dia dongiany avokoa. Hatreny Tsimbazaza ka hatreny Anosikely ka hatreny Mahazoarivo. Tsy misy azon’iza kitihina mihitsy fa izy avokoa no manendry azy. Dia iza ary hoy ianao no mandefitra ? Iza no maniry hamaha ny krizy ? Samia mandinika.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT