Omaly alahady tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany tolakandro dia nisehoana loza nahatsiravina tany amin’ny faritra Analanjirofo, tao Soanierana Ivongo no marimarina kokoa.
Fotoana fohy tsy hidirana an’i Soanierana Ivongo, raha avy any Sainte Marie, teo amin’ny vinany no rendriky ny onjan-drano ny vedety haingam-pandeha iray Black Sarte, an’ny Cap Sainte Marie, nitondra ireo delegasiona avy amin’ny fanjakana, nahitana ny minisitry ny mponina sy ireo mpiara-miasa aminy. Araka ny fantatra dia 15 ny olona azon’ity sambokely haingam-pandeha ity entina. Mbola fantarina kosa hoe firy marina izy ireo no tao, satria misy loharanom-baovao mitatitra fa 16 no tao, raha 11 kosa ho an’ny loharanom-baovao hafa. Hatramin’ny fotoana nanoratana aloha dia 4 tamin’ireo mpandeha tao anatin’ity sambo kely ity no avotra. Ny ambiny kosa dia nindaosin’ny fahafatesana ka anisan’izany Rtoa Nadine Ramaroson sy ny talem-paritry ny ministeran’ny mponina any Analajirofo, mpanao gazety ary artista.
Ankoatra izay, raha niezaka nanavotra ilay sambo izay natsipin’ny rano teny an-tanety ireo mponina dia nipoaka tampoka ilay sambo kely. Maro tamin’ireo nanavotra koa no namoy ny ainy ankoatra ireo naratra. Avy namonjy ny “festival des baleines” tany Sainte Marie moa ireto delegasionina ireto, ary saika hihazo an’Antsenapasika hanatitra fanampiana ho an’ny traboina noho ny hain-trano no izao niharam-boina izao. Anisan’ireo niketrika ny fanonganana ny fitondrana Ravalomanana ary mpanohana akaiky an’i Andry Rajoelina, tamin’ny 2008-2009 i Nadine Ramaroson. Efa hatramin’ny governemanta Monja Roindefo no minisitry ny mponina sy ny raharaha sosialy izy, ary toerana notanany hatramin’izao namoizany aina izao. Teo amin’ny faha-53 taona izy izao lasa izao, tsy namela taranaka. Andrasana ao Soavita Toamasina ny nofo mangatsiakan’ireo niharam-boina, mialoha ny hitondrana azy miakatra eto Antananarivo.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.