Actualités

Nadine Ramaroson Mifamahofaho ny resaka manodidina ny fahafatesany


  • Talata 30 Aogositra 2011

Ao no niteny fa noho ny sambo nitondra azy nivadika no nitarika ny fahafatesany.

Heverina fa voatsindry tao ambany izy dia sempotra. Teo ihany koa ny fofon-dasantsy be izay tsy nisy niainana mihitsy, raha araka ny fitantaran’i Andry Rakotonirainy izay tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny ministeran’ny mponina rahateo. Raha ny filazan’ny mpikarakara ny festival Tsôlabe indray anefa, Ony Schneider, dia noho ny fipoahan’ny grenady tao anatin’ilay sambo no tena nitarika ireo fahafatesana. “Tsy nisy simba na ny ‘reservoir d’essence’ na ny ‘moteur’ roa.

Ankoatra izay ihany koa dia nilaza ireo olona velona tamin’ity loza ity fa mbola velona ny maro na nivadika aza ny sambo, saingy ilay grenady nirefotra no tena tsy nahafahan’ireo niala tamin’ny fahafatesana intsony”, hoy io mpikarakara io. Ny loharanom-baovao hafa no mitatitra fa tany amin’ny mpiambina azy izay niaraka taminy hatrany Sainte-Marie io grenady io. Tsy anisan’ireo namoy ny ainy nandritry ny loza io mpiambina io, fa ilay iray namany izay namonjy avy lavitra indray no maty nipoahan’ny grenady niaraka tamin’ireo olon-kafa. Tsy maty ny kapitenin-tsambo, tsy maty ihany koa ilay mpiambina izay tompon’ny grenady. Heverina fa ho lasa lavitra ny fanadihadiana ity raharaha ity.

Samy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT