Vaovao isan’ny nitana ny sain’ny maro omaly tontolo andro ny hoe: nisy nitifitra teny Ambatobe ny mpanakanto malaza Mr Sayda.
Basy “kalacknikov no voalaza fa nitifirana azy, saingy nieren-doza anefa fa tsy voa. Nifamahofaho tanteraka ny resaka, ka tao ny pejim-baovao niezaka nandiso an’io, saingy tao ihany koa no nilaza fa voamarina ny fisiana fitifirana, nisy tokoa ny poa-basy, saingy tsy voa io mpanakanto malaza io, ka ny polisin’ny Boriborintany faha-8 no voalaza fa miantsoroka ny fanadihadiana. Nifanindran-dàlana tamin’io ihany koa ny nilazan’ny mpamakafaka politika iray tao amin’ny kaonty facebook-ny hoe: “Kaomisaria 8ème, misy afera mahamay: tentative de meurtre, sequestration d’une minisitre de la République” izany hoe nisy fikasana hitazona an-keriny minisitra vehivavy iray, raha adika tsotsotra. Heverina fa misy ifandraisany ireo raharaha roa ireo, rehefa zohiana. Tsy mbola nisy ny fanazavana ofisialy hatry ny omaly. Tsy mbola misy ny fandisoana ofisialy ary teo ihany koa ny momba ny fahatafidiran’ny minisitra vehivavy iray. Voalaza ihany koa mantsy fa tompon’andraikitra ao amina ministera iray ity mpanakanto malaza ankafizin’ny tanora ity. Ny fanontaniana apetraky ny mpanara-baovao kosa dia ny hoe: inona no tena marina amin’ity raharaha ity? Inona ny rohy sy mety ho fifandraisana manokana eo amin’ilay minisitra sy ilay mpanakanto? Iza ilay nikasa hitifitra na ao ambadiky ny fampitifirana ? Matoa aloha tonga amin’ny resaka fifofoana aina tahaka izany dia efa tena lonilony lalina ? Fisakaizana araka ny resaka miely eny amin’ny tambazotran-tserasera ve sa antony hafa mihitsy ? Andrasana ny tohiny,
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.