Actualités

Mponin’Iarivo mifanitsa-kitro Tena efa tsy atahorana intsony ve ny covid-19 ?


  • Alakamisy 24 Desambra 2020

Mifanitsa-kitro ara-bakiteny ny mpiantsena eny Behoririka, Soarano,

 

 

 

Analakely,Andravoahangy, Petite Vitesse, Ambodin’Isotry, Namontana ..rehefa toerana misy tsena sy mpivarotra dia rakotr’olombelona amin’izao ankatoky ny fety izao. Nofinofy izany resaka fanajana ny “gestes barrières” izany, ary efa adino tanteraka. Tena efa azo antoka ve fa resy ny valanaretina coronavirus? Ny mpitondra Fanjakana manome antoka fatratra, fa tsy hiditra amin’ny onja faharoa na “2ème vague” izany ny firenena. Sa atao ambony ny moaraly amin’ny hoe mety ho efa fanana hery fiarovana iraisana na “immunité collective” rehefa hita ilay hoe: “séroprévalence” 40%? Tena adino sy hamaivanina tanteraka ny fepetra ara-pahasalamana. Niainga tany amin’ny mpitondra ny ohatra ratsy, ka mahatsapa ho tsy masin-teny intsony angamba ny manam-pahefana nanao tari-bato vilam-bava, ka aleony mitazam-potsiny. Ohatran'izao foana isan-taona fa tamin’ity tokony mba mailo ihany satria mbola eo ny covid-19 anie. Ny Profesora Zely Andriamantany, Tale Jeneraly misahana ny Fampitaovana ny Seham-pitsaboana (DGFS) eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalam-bahoaka naneho omaly tao amina fahitalavitra iray, fa tsy nanaja “gestes barrières” ny tany Frantsa fa tonga dia nilibaliba no nahatonga ny “2ème vague” lasa manahirana io sy be maty. Hafa mihitsy tokoa ve isika Malagasy ka tsy handairan’ny coronavirus? Aleo mitandrina sy mailo hatrany fa ny filazana fa tsy mafy noho ny pesta tany aloha aza efa manahirana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT