Actualités

Mponin’Antananarivo Mahalany lodisia 6 kamiao isan’andro


  • Talata 06 Desambra 2022

Fotoana fahavokaran’ny lodisia izao volana desambra mialohan’ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona izao.

Ankoatra ny tsirony izay mamy no sady manala hetaheta amin’ny hafanambe dia fantatra fa tena mitondra fahasalamana ho an’ny vatana tokoa ny fihinanana lodisia. Ho an’ny mponina eto Antananarivo manokana dia fantatra fa mahalany lodisia 6 kamiao isan’andro raha kely izy ireo izay miparitaka amina tsena lehibe maromaro toy ny eny Anosibe izay tsy zoviana amin’ny maro intsony, ny eny Alasora….1.500 Ar ny iray kilao amin’izao eny an-tsena raha 10.000 Ar kosa ny iray garaba amin’ny antony ho an’ireo maka avy hatrany eny amin’ny kamiao. Manodidina ny 8 kg eo ho eo ny lanjan’ny lodisia ho an’ny garaba iray antonontonony raha avo roa heny noho izay ho an’ireo garaba lehibe. Raha araka ny fantatra dia ireo mpiasa sy mpianatra no tena mandany ny lodisia hamidy eny an-tsena. Ny tena olana anefa dia ny hoditr’izy ireny izay tena mampitombo sy manaparitaka fako tsy toko sy forohana tokoa. Ho an’ny etsy amin’ny tsenan’Anosibe manokana dia ny hodi-manga sy ny hoditra lodisia no mitana ny an-tsasaky ny fako raofin’ny fiaraben’ny kaominina eny an-toerana isan’andro izay marihina fa sady mamoaka fofona no miteraka lalitra sy olitra. Mahatsiaro ho sahirana ireo mpivarotra sy mponina eny an-toerana noho izany raha vantany vao tara ny mpandroaka fako.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT