Actualités

Mponin’Antananarivo Fidiram-bola mihena, hetra atao midangana


  • Zoma 18 Novambra 2022

Velon-taraina ankehitriny ny ankamaroan’ireo mponina eto Antananarivo renivohitra manoloana ity resaka hetran-trano miverina ity.

Tsy vitan’ny hoe miverina moa fa ny tena olana, araka ny efa niresahana azy hatrany am-piandohana hatramin’izao dia ilay hoe lasa midangana hatrany amin’ny avo 100 heny na mihoatra mihitsy aza. Fidiram-bola mihena, hetra takiana hadangana nefa, hoy ny fitarainana. Iaraha-mahalala ny firongatry ny tsy fisian’asa izay zary miteraka tsy fandriampahalemana hatraty amin’ny tontolo andrenivohitra ankehitriny. Valin’ilay hetra tsy nihetsika tao anatin’ny 30 taona ve izany ilay fidanganana? Oviana moa no nihetsika farany ny karaman’ny mpiasa raha toa ka tsy sasatry ny mihetsika sy midangana koa ny vidin-javatra eny an-tsena sy ny vidin-tsolika? Voatery tsy maintsy ahetsika ve ilay hetra nefa tsy mbola mety miaiky hatramin’izao ny ben’ny tananan’Antananarivo fa efa tokony haterina eo am-bavahadiny ny fako maro tsy misy mpaka isan-tokantrano, indrindra, eny an’arabe sy amoron-dalana? Ny anay izao hetra latsaky ny 20.000 Ariary hatramin’izay dia izao tadiavina ho lasa 400.000 Ariary be izao nefa tsy misy na dia mpanofa iray aza, hoy ny fianakaviana iray.

Nanamarika moa ny avy ao amin’ny kaominina momba ny hetran-trano fa hita ao amin'ny rohy https://simulateurifpb.cua.mg// ireo masontsivana mamaritra ny fananana mba hanombanana ny sandan'ny hofan-trano ary ahafantarana ny vola tokony aloa amin'ny kaominina.Raisina ao amin'ny efitrano fanaovana mariazy boriborintany faha 6 ireo fanamarihana na fitarainana ny alatsinainy hatramin'ny zoma amin'ny 8 ora maraina ka hatramin'ny 12 ora atoandro, afa-tsy ny alakamisy.

J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT