Actualités

Mponina eny Nanisana Ampasampito Roa andro isam-bolana no tsy mahazo jiro


  • Talata 12 Jolay 2016

Roa andro isam-bolana raha kely indrindra no tsy mahazo herinaratra ireo mponina eny Nanisana Ampasampito na dia tsy mitsaha-miakatra aza ny vidin-jiro ankoatra ny delestazy mahazatra izay saika misy isan’andro ihany koa

. Noho ny haratsian’ny  “transformateur”  izay manodina ny   tranon-jiro   eny an-toerana  no voalaza fa antony mahatonga izany.  May lava io fitaovana io saingy tsy mbola nisy mihitsy ny fanoloana izany ho vaovao hatreto. Efa im-betsaka ireo mponina eny Nanisana Ampasampito no nitaraina tamin’ny orinasa JIRAMA mikasika izany  saingy  tsy mbola nisy tompon’andraikitra nidina mihitsy teny an-toerana. Manahy ny mety hisian’ny zava-doza hitranga eny Nanisana araka izany ny mponina raha mbola mitohy ny fampiasana ity “transformateur”  may lava ity.  Anisan’izany ny mety  fipoahan’ireo karazam-pitaovana mandeha amin’ny herinaratra any an-tokantrano izay marihina fa tsy mbola nisy fandraisana an-tanana  izay  voany  hatramin’izay.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT