Actualités

Mponina eny ambanivohitra Marary nify ny 95%


  • Alatsinainy 30 Mey 2016

Ny 95%-n’ny mponina eny ambanivohitra no fantatra fa lasibatry ny areti-nify amin’izao fotoana izao. Antony dia noho ny asa mafy hatrehin’izy ireo isan’andro ka mampihetsika ny hozatra amin’ny vatana iray manontolo.

  Mbola olana anefa ny halaviran’ny tobim-pitsaboana. Ho an’ny kaominina Ambohibao Atsimo, distrikan’i Manjakandriana manokana dia miala 5 km eo an-tanàna vao mahita  tobim-pitsaboana ny mponina ka tsy manana fahafahana hitsabo tena intsony, indrindra fa ny fikarakarana ny nify. Any Andriampamaky mantsy izy ireo vao mahita tobim-pitsaboana. Mba ho fanampiana azy ireo ary dia notanterahina tany an-toerana ny  sabotsy teo ny fanombohana ny fanamarihana ny herinandro ho an’ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava. Narahina hetsika fitsaboana maimaimpoana ho an’ny mponina izany toy ny fanalana nify maimaimpoana. Nisy ihany koa ny fitiliana ny aretina diabeta maimaimpoana, ny tosidra. Tsiahivina moa fa ankoatra ny tobim-pitsaboana dia mbola manana olana amin’ireo karazana fotodrafitraa toy ny sekoly ihany koa ireo mponina ao amin’ny kaominina Ambohibao Atsimo ka ilana fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT