Mponin’Antananarivo

> Ny 10%-n’ny olona no voavidy vola


  • Alakamisy 24 Oktobra 2013

Mahavaky vava ny maro ny fiparitahan’ny vola sy fanomezana samihafa avy amin’ny mpanohana ireo kandida tamin’ity fifidianana indray mitoraka ity.

Araka ny fanadihadiana notontosain’ny tanora YLTP dia anisan’ny masontsivana ifidianan’ny olona kandida ny fanomezana azony toy ny vola na kasikety na tee-shirt. Manodidina ny 10%-n’ny mpifidy, araka io fanadihadiana io, no voavidy vola. Mbola maro amin’ny mponin’Antananarivo koa no mametra ny safidiny amin’ny resa-piaviana izay misy 9%. Ny fotokevitra, ny antoko politika manolotra azy kosa no maharesy lahatra ny 55%-n’ny mpifidy raha 23% no voasarika amin’ny fahaiza-mandresy lahatry ny kandida. Misy fiantraikany amin’ny safidin’ny olona koa anefa ny fianarana vitany. Raha ny fahaizana sy ny programan’ireo kandida no masontsivana laharam-pahamehana mibaiko ny olona amin’ny safidiny ho an’ireo nahita fianarana dia mifanohitra amin’izay kosa ny zava-misy amin’ny olona zara raha nianatra. Ireto farany mantsy no tena mora tambazana vola sy fanomezana samihafa, araka ny valin’ilay fanadihadiana ihany.

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT