Actualités

Mpizahatany 100 000 Tsy ho tratra indray amin’ity taona ity


  • Zoma 03 Jona 2016

Tena mbola tratra aoriana be i Madagasikara eo amin’ny lafiny fizahantany raha oharina amin’ireo firenena manodidina azy tahaka ny nosy Maorisy, Seychelles na i Afrika atsimo.

 

 Olana goavana eto ny faharatsian’ny lalana, ny tsy fahampian’ny trano fandraisam-bahiny ary ny seranam-piaramanidina. Tsy ho tratra ilay tanjona hampiantrano mpizahatany 100 000 amin’ity taona 2016 ity eto Madagasikara, hoy ny minisitry ny fizahantany Roland Ratsiraka, omaly, teny amin’ny Carlton Anosy nandritra ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny International Tourism Fair Madagascar (ITM) andiany faha-8 izay haharitra hatramin’ny rahampitso sabotsy. Maherin’ny 100 ny tranoheva mandritra ny ITM izay ahitana ireo asa rehetra mifandray amin’ny fizahantany eto Madagasikara sy ny tsara ho fantatra.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT