Mpivarotra voatafika

> Raim-pianakaviana iray maty voatifitra teo amin’ny fony


  • Sabotsy 28 Septambra 2013

Nitrangana fanafihan-jilolahy nahery vaika tao amin’ny toerana antsoina hoe Antsapanana, Distrikan’Antanifotsy ny alakamisy 26 septambra tokony ho tamin’ny 10 alina.

Niisa 5 ireo jiolahy no nanafika fianakaviana mpivarotra iray. Nirongo basy mahery vaika ireo jiolahy ary niditra an-keriny tao an-trano. Niezaka nanohitra sy niaro ny vady aman-janany ilay rangahy ka tafatsoaka ny zaza amam-behivavy fa izy raim-pianakaviana kosa tafajanona tao an-trano. Izy anefa no nanamparan'ireo jiolahy ny habibiany, ka notifirin'izy ireo teo amin'ny fony ary maty tsy tra-drano. Vao nahare ny basy nipoaka ny Fokonolona dia taitra sy nivoaka avokoa, saingy efa nitsoaka ireo jiolahy. Nosokafana avy hatrany ny fanadihadiana sahanin’ny zandary any an-toerana, mandeha koa ny fikarohana ireo nahavanon-doza. Nisy iray efa tratra nanao fanamiana miaramila ary nahitana bala iray efa nipoaka sy tsy mbola nipoaka tany aminy. Mangataka ny hisian'ny jiro hanazavana ny tanàna ny mponina ao amin’ity toerana ity satria ao anaty haizina tantetraka izy ireo ankehitriny, ka manararaotra ny jiolahy.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT