Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny mpitaky hetra sy ny mpivarotra amin’ny resaka faktiora sy ny fampiasana azy.
Nisy fihaonana omaly saingy tsy nahitam-bahaolana maharitra, mandrahona hanakatona tsena ireo mpamongady anio. Nandroso tolo-kevitra entina handaminana izao savorovoro izao Atoa Ramiandrasoa Nicolas mpamongady etsy Ambanidia. Tokony hanavao ny taratasiny ny mpivarotra rehetra, hoy izy mba hahitana fa matihanina amin’ny asany tokoa raha mbola te hanohy ny asany. Tokony hisy fifanakalozan-kevitra matetika koa eo amin’ny mpivarotra sy ny mpitaky hetra mba hisian’ny fifanajana sy ny filaminana.
Araka ny fangatahan’ireo mpivarotra moa dia hajanona aloha ny fanisana ny vola maty mba hitandroana ny fandriampahalemana ary hijanona ho fanaraha-maso fotsiny ihany aloha ary tsy hisy sazy ny fisavana amin’izao fotoana izao. Nanambara moa ity mpivarotra mpamongady ity fa raha ara-dalàna daholo ny mpivarotra dia tsy tokony hisy ny olana satria rehefa tonga ny fotoana ampiasana ny faktiora dia handeha ho azy izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.