Actualités

Mpivarotra - Pavillon Analakely “Tsy mila SMGD izahay, vitanay ny fikarakarana”


  • Alatsinainy 13 Jona 2022

Nanamafy ny teniny ireo mpivarotra etsy amin’ny pavillon Analakely omaly fa tsy mila ny SMGD na ny “Société Municipale des gestions digitales”

izay sampandraharaha iray eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra nambaran’ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina fa handray an-tanana ny fikarakarana ireo mpivarotra eto an-drenivohitra amin’ny alalan’ny fanaovana digitalisation.
NANAVAO SY NIKARAKARA
Nasehon’izy ireo tamin’ny alalan’ny firaisankinany izay nanavao sy nikarakara ny pavillon rehetra etsy Analakely izany omaly alahady. Tamin’ny alalan’ny fandokoana ny varavarana hanjary ho mena midorehitra mitovy, fanoloana ny carreaux, fandokoana ny rindrina ho fotsy na mavo no nanehon’izy ireo izany. Toraka izany koa ny fanadiovana ny tsena sy ny fanoloana ireo paravan, ny fametrahana jiro hahafahana miady amin’ny tsy fandriampahalemana. Tsy ilanay fanampiana avy any amin’ny hafa ny fikarakarana hoy ireo mpivarotra fa vitanay ary tsy mila izany SMGD izany izahay fa ny kaominina ihany no fantatray. Samy niala vola tany am-paosy avokoa izy ireo nanao izany fikarakarana izany hoy hatrany izy ireo , vakoka Malagasy izay notsindrian’ireo mpivarotra fa tsy azo ovaina na rahoviana na rahoviana.


VELOM-PANAHIANA MAFY
Nomarihin’ireo mpivarotra etsy amin’ny pavillon Analakely fa mihamahery vaika ny fanahiana ao anatin’izy ireo. Efa firy taona hoy Ramatoa Malala anisan’ireo mpivarotra etsy amin’ny pavillon Analakely no natao ny fanisana ireo mpivarotra saingy mbola takian’ny kaominina hatrany izany, hahafahana miditra amin’ilay digitilasation, hono,. Efa indroa nampivory ny kaominina hatramin’izay hoy hatrany izy. Tsy izay anefa no ao ambadika hoy izy fa zavatra hafa mihitsy raha ny fahitany azy. Ny fahazoan’ny kaominina ny mombamomba ny mpivarotra iray mantsy hoy izy dia lalana hahafahany manao fanondrotra hofantrano…. nefa tokony hifampitsinjovana izany, iaraha-mahalala rahateo ny hasarotan’ny fiainana. Tsy azonay mpivarotra ekena velively araka izany hoy hatrany izy ireo ny hanomezana ny sehatra tsy miankina hitantana ny pavillon fa vitanay ny fikarakarana sy ny fanatsarana azy io amin’ny lafiny rehetra.


TSY HANAIKY
Nanambara moa ireo vondron’ny mpivarotra etsy amin’ny pavillon Analakely fa tsy hanaiky ny fanomezana ny fitantanana ny pavillon Analakely ho an’ny tsy miankina mihitsy. Ny kaominina irery ihany koa no fantatray hoy hatrany izy ireo nanamafy ny teniny fa tsy mila ankoatra izay. Mian-dahy miam-bavy moa izy ireo no tonga tetsy amin’ny pavillon omaly nampiseho izay firaisankinany izay no sady nanome modely ny hafa ihany koa ny amin’ny fandraisana andraikitra tokony hatao. Tsiahivina fa efa nisy ny fitokonana notanterahin’ireto mpivarotra ireto nanehoany izay tsy fankasitrahany ny fanomezana ny fitantanana ho an’ny sehatra tsy miankina izay.
 Ny vondron’ireo mpivarotra nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly, notarihin’ny filohany Sarah Hanitriniala

Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT