Feno mpivarotra ny tanana. Tsy misy toerana izay tsy ahitana azy ireny intsony na eny an’elakelan-trano na eny amoron-dalana.
Ireo mpivarotra hani-masaka hatreto no tena maro an’isa indrindra toy ny mpivarotra kiendieny mandehandeha, ireo mpivarotra composé sy lasopy, ny mpivarotra vary masaka mitety tsena…. Vokatr’ireny rehetra ireny dia mahatsiaro ho sahirana ireo mpivarotra hani-masaka mandoa vola amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Be loatra ny mpifaninana hoy izy ireo ka tsy toy ny teo aloha intsony ny tsena. Raha 3.000 Ar mantsy ny vary iray lovia amin’ireny tsena mandoa vola amin’ny kaominina ireny dia 1.500 na 2.000 Ar dia efa mahazo vary iray lovia ho an’ireo mitondra sobika mandehandeha izay sady misy sakay no miaraka amin’ny lasary kely… Zara raha mahazo 50.000 Ar isan’andro sisa araka izany ireo mpivarotra hani-masaka mandoa vola amin’ny kaominina eto amintsika raha tsy ampy nalainy ny 100.000 Ar isan’andro teo aloha. Voatery nampihena ny habetsaky ny sakafo hamidiny indray araka izany ireo mpivarotra mandoa vola amin’ny kaominina. Tsy maintsy hohanina mantsy ireny sakafo ireny rehefa tsy lany nefa ny mason-karena tsy tafaverina. Marihina moa fa mariky ny fahantran’ny firenena iray ny hamaroan’ireo mpivarotra ao aminy. Anisan’izany isika eto Madagasikara izay efa mitady ho lasa mpivarotra ny an-tsasa-manilan’ny mponina.
Pati
Legende : Lasa mivarotra hani-masaka avokoa ny ankamaroan’ny olona amin’izao
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.