Actualités

Mpivarotra eto an-drenivohitra Tsy miady amin’ny kaominina fa manitsy ny tsy mety


  • Sabotsy 28 Mey 2016

Nanambatra ny heriny ary nanazava ny zava-misy iainany tamin’ny mpanao gazety ireo mpivarotra eto Antananarivo Renivohitra omaly, notronin’ireo delegen’ny tsena isanisany toa an’Andravoahangy, Soamanatombo, Namontana, Ambohimanarina …

 

 Nambaran’izy ireo  fa tsy miady amin’ny kaominina velively ry zareo fa te hanitsy kosa ilay note de service navoakan’ny kaominina mikasika ilay fanambarana ho mpivarotra vaovao hampanaovina azy ireo. Tsy izany intsony no tokony ho  natao, hoy izy ireo, fa fanisana tsotra satria efa mpivarotra ara-dalàna sy matihanina izahay sady tsy mangataka toerana intsony ihany koa. Nohamafisin’izy ireo ihany koa fa ny fanisana mpivarotra dia efa nisy foana hatramin’izay saingy ity indray mitoraka ity no hafa indrindra satria misy fifanarahana mihitsy miaraka amin’ny fanaovan’ny mpivarotra sonia.  Tsy maintsy hatao izany, hoy ny tompon’andraikitry ny kaominina fa ilain’ny banky iraisam-pirenena. Nasian’izy ireo resaka ihany koa ny mikasika ilay fananganana grande surface izay kasain’ny kaominina hamindrana azy ireo.  Tsy mbola laharam-pahamehana izany,  hoy hatrany izy ireo satria mety tsy ho zakan’ny mpivarotra madinika indray ny haba alaina aminy aorian’izany.  Efa nisy moa ny fihaonan’izy ireo tamin’ny tompon’andraikitry ny kaominina saingy nilaza ireto farany fa tsy maintsy hirosoana io fanisana io.

Pati

 


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT