Actualités

Mpivarotra amoron-dalana nomena fahalalahana Varavarana misokatra mankany amin’ny gaboraraka


  • Talata 27 Desambra 2022

Nisy omaly ny fanambarana nataon’ny Fiadidian’ny tanànan’Antananarivo tarihin’ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina, fa amin'izao akatoky ny asaramanitra izao,

vokatry ny fiaraha-mientana sy ny fifampiresahana teo amin'ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, manoloana ny fangatahin'ireo mpivarotra dia nanapakevitra ny fahafahan'izy ireo mivarotra an-kalalahana hatramin'ny alahady 01 janoary. “Adidintsika ny mifampitsinjo sy mifanohana. Isaorana mialoha ihany koa ny amin'ny fanekena sy fanarahana ny fandaminana. Isika rehetra miara-mientana hatrany no hitondra fampandrosoana ho an'Antananarivo Tanànantsika”, hoy ny kaominina. Efa heverina ho lasa fomba fiasa izany io, ka ahiana ho tahaka amin’ny vaninandro fety toy ny paska, 26 jona sy ny hafa rehetra. Nahita an’io ny hafa dia mety handeha ihany koa ny hoe: aleo aloha izahay hiasa sy hivarotra na amin’ny zavatra tsy ara-dalàna aza. Tsy hivoatra mihitsy izany ary tsy mety hita ny vahaolana fa ny nanakianana ny teo aloha ihany no averina. Ary ny tena mampatahotra dia toa varavarana misokatra mankany amin’ny gaboraraka ny fanapahan-kevitra tahaka izao ; ny fanjakana mihitsy izany no manome alalana ny olona handika lalàna satria hoe fety, hono… Miharihary ihany koa ny politikan’ny fampalazana tena sy ny fakana ny fon’ny olona na “populisme”, ka na zavatra efa tsy manjary aza aleo hikipiana sitrany ahay vato any amin’ny fifidianana. Raha tsy voasiotsioka sy tsy voahorakoraka teny Analakely sy Soarano ve ny Filoha Rajoelina dia hihemotra tamin’ny fanapahan-keviny tahaka izao ny Kaominina Antananarivo? Hatraiza ny lanjan’ny fanapahan-kevitra sy ny fandaminana teo aloha eo anatrehan’izao fomba fitantanana mandroso mihemotra izao? Endrika iray miharihary io, fa efa tsy mahatoky valera intsony ny fitondrana ankehitriny ka fanapahan-kevitra hita fa tsara aza kanefa misy andian’olona manao tsindry fa tsy hanome vatom-pifidianana dia aleo milefitra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT