Miverina andro antoandro be nanahary indray ny mpivarotra amoron-dalana etsy Soarano ankehitriny raha efa somary lefilefy noho ny fanaovana fangala-piery amin’ny fiara mangaben’ny fivondronana ry zareo teo aloha teo.
Variana eny amin’ny faritr’Anosy sy Mahamasina iny ireto farany tao ho ao. Fety ny andro, hoy ny mpitazana, ka tsy afaka hiteny azy ireo indray toy ny mahazatra ny CUA, “ fa mba aleo hitady vola ny madinika”, hoy ny feo heno isaky ny andro fety tahaka izao Pentekosta izao ary mbola hitohy amin’ny 26 jona. Tsy nisy nahasakana izany trangan-javatra izany mihitsy ireo mpitondra nifandimby teto amin’ity tanànan’
Raha ny zava-misy any ivelany any no asian-teny dia misy dia misy ohatra ao Durban Afrika Atsimo (tena tanàna raitra) ny mpivarotra amoron-dalana saingy efa nanaovan’ny tompon’andraikitry ny tanàna talatalana manokana ry zareo amin’izany ary voafetra koa ny ora ahazoany mivarotra eo ary madio ny toerana ialan-dry zareo rehefa avy mivarotra (tsy feno baoritra sy harona sase tahaka ny aty amintsika) satria mandoa haban-tsena mazava koa ry zareo. Na dia hoe : ny soa aza fianatra dia tsy ho tanteraka aty amintsika izany raha tsy manana politika matipaika amin’izany ny tompon’andraikitra mpikarakara mivantana ny mponina eto amin’ity tanànan’Iarivo ity sy ry zareo ao amin’ny ministera ao. Ny zava-misy aloha hatreto dia mbola mijanona ho tanjona, 51 taona aty aorian’ny fahaleovantena, ny hoe “
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.