Tsy nijanona teo amin’ny fampitandremana intsony fa nidina nanala ireo mpivaro-toaka an-kalamanjana tsy ara-dalŕna sy nisava ireo fiara mpitatitra toy
ny taksi sy ny taksibrosy eto an-drenivohitra ny faran’ny herinandro teo ny ekipa avy amin'ny Fiadidiana ny Tanànan'Antananarivo. Tamin’ny 4 ora maraina no nanombohan’ny hetsika ka anisan’ny nisantarany izany ny teny Analakely sy Tsaralalana. Noraofin’izy ireo avy hatrany ny entam-barotra sy ny latabatra nampiasain’ireo mpivarotra niampy fampitandremana farany. Nanambara ny tompon’andraikitra fa tsy hilefitra intsony ary hihamafy hatrany ny fisavana manomboka izao. Faritra maro kosa toa an’Analakely, Mahamasina, Andrefanambohijanahary, Anosibe, Ampefiloha ary Fasan’ny Karana no nanatanterahana ny fisavana ny taksi sy ny taksibrosy. Fitateram-bahoaka tsy nanara-dalàna telo hihazo an’Antsirabe, niampy fiarakaretsaka roapolo (20) no sarona tamin’izany ary naterina avy hatrany teny amin’ny toerana fihibohana (Fourrière) teny Anosipatrana. Antony nanasaziana azy ireo ny niantsonany tamin’ny toerana tsy tokony ho nanaovana izany, ny taratasin’ny fiara tsy ara-dalàna, ny loko « beige crème » tsy voahaja, ny « lanterne » tsy manara-penitra, ny tsy fetezana eo amin'ny fiara, toy ny jiro tsy mirehitra, « frein à main » tsy mandeha, ny fitaratra tsy misy, ny lasantsy tsy mandalo anaty « réservoir »…Mbola hitohy ny hetsika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.