Mpivady voatafika

> Lasan’ny jiolahy ny vola fisotroan-dronono


  • Zoma 18 Oktobra 2013


Nitrangana fanafihan-jiolahy tao amin’ny Fokontany Mahafaly Vatofotsy ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy 17 oktobra lasa teo. Tokantrano iray nisy mpivady zokiolona no lasibatra. Araka ny tatitry ny niharam-boina dia jiolahy telo tsy nisaron-tava no tonga tao amin’izy ireo tokony ho tamin’ny 1 maraina tany ho any. Nopitsohin’izy ireo ny varavarana ka raha vao tafiditra izy dia nanontany avy hatrany ny vola fisotroan-dronono izay nolazain’ireo jiolahy fa efa azo. Nandà izy mivady fa tsy mbola nahazo izany ka dia niharan’ny daroka tamin’ny «barre à pince» avy hatrany ilay Ramatoa. Taorian’izay dia navoakan’ilay rangahy ny vola nisy tao amin’izy mivady. Mbola nodarohan’ireo jiolahy ihany rangahibe fa tsy ampy, hono. Nentin’ireo jiolahy izay entana zakany ary lasa nitsoaka ry zalahy.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT