Tsy hay izay tena nahazo an’ireto mpivady mbola tanora manodidina ny 30 taona, fa izy roa nifamaly be sy nifampitolona teo an-dalambe, no nanaitra ny mpandeha sy ny manodidina.
Nanomboka nitangorona ny olona omaly maraina tao Mahavatse, amin’ny lalana mihazo ny seranan-tsambon’i Toliara iny. Resa-bola no fototry ny olana. Sady mampirafy, hono, rangahy no mamolava mamono vady. Samy tsy nahatsindry fo ny roa tonta, ka raikitra ny fifampikasihan-tanana ary nifandramatra imasom-bahoaka tsy nahalala menatra intsony.
Tsy zakan-drangahy efa somary dizin’ny toaka vao maraina ny vavan-dramatoa nipetsopetsona ka tonga dia nodarohany sy natosiny ary mbola notaritarihiny tamin’ny zipony ny vadiny. Nitrosona tamin’ny tany ramatoa. Niarina ity farany avy eo, ary namely daka tampoka an-drangahy. Voa teo amin’ny ankasarotany ity raim-pianakaviana ity ka nitambotsitra sy nandraiki-narary. Toy ireny nijery horonantsary amin’ny fahitalavitra ireny ny olona, omaly.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.