Mbola mitana ny sain’ny maro, indrindra ireo mpanaraka ny vaovao politika sy ny ankolafy politika samy hafa, ny didy navoakan’ny fitsarana manokan’ny fifidianana (CES) ny sabotsy teo. Samy manana ny heviny ny rehetra fa raha ny hitoviany dia “tsy manaiky ny fanilihana kandida izany”.
Ho an’ny Me Rasamimaka dia “efa nampoizina ireny didy nivoaka ireny, satria baikon’ny vahiny no notanterahin’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana, izay efa nokianinay fa tsy mety raha ny mpanao politika no hanapaka ny firotsahan-kofidian’ny kandida satria tsy maintsy misy fingampingana sy kajy politika ao”. “Tsorinay aloha fa ny ankolafy Ravalomanana dia tsy nitory kandida mihitsy, fa nametraka kosa ny fiarovan-tenany. Aminay dia ny filatsahan’ny rehetra ihany no tena demokrasia sy miantoka ny fitoniana. Nefa tsy izay ny nataon’ny sasany fa izy ireo mbola manan-draharaha ara-pitsarana sy nomena famotsoran-keloka noho ny heloka nataony indray no mitory ny kandida tsy meloka”, hoy hatrany Me Rasamimaka.
Ankilan’izay, ny Dr Rakotomalala kosa dia “mpitsara mitsara mpitsara no misy izao ka iza no arahina sy manana ny marina ? Tsy azo ivalozana araka ny voalazan’ny lalàna nohamafisin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny didy avoakan’ireo CES, ka iza no arahina eto ilay voalohany sa ilay faharoa ? Raha ilay faharoa dia inona izany ireo mpitsara teo aloha, nefa mpitsara manana grady ambony indrindra. Midika izany fa fanjakan’ny baroa no misy eto, tsy misy intsony ny fitsarana na mpitsara azo itokisana izany. Tena marary ny firenentsika. Ny vahiny izany no hibaiko ny mpitsara sy ny didy avoaka eto, koa inona intsony ilay fiandrianam-pirenentsika ?”, hoy hatrany ny Dr Rakotomalala namarana ny fanazavany.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.