Actualités

Mpitsara eto Madagasikara Nanapa-kevitra ny tsy hitokona aloha


  • Talata 14 Jona 2016

Tsy nankasitrahan’ireo mpitsara amin’ny ankapobeny ny fanapahan-kevitra famindran-toerana noraisin’ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana.

 

Nandeha be rahateo ny resaka fa hiroso amin’ny fitokonana ihany koa ny fianakaviamben’ny mpitsara izay nifampidinika ny faran’ny herinandro lasa teo. Nisy ny resaka fohy nifanaovana tamin’ny filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara Andrianjafimahery Alphonse.

Tia Tanindrazana (TT) : Hitokona tokoa ve ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara ?

Andrianjafimahery Alphonse (AA) : Marobe ny zavatra nifampiresahana fa tsy nisy ny fanapahan-kevitra goavana toy ny fitokonana. Nifanarahan’ny besinimaro kosa ny fifampiresahana amin’ireo tompon’andraikitra mpanapa-kevitra. Nisy ireo tolo-kevitra samihafa mbola hoentina any amin’ny Filankevitra ambonin’ny fitsarana sy ny minisitera ary ny Fiadidiana ny Repoblika mba hikarohana marimaritra iraisana.

TT : Tsy ekenareo ny famindran-toerana faobe ireo mpitsara, inona no antony ?

AA : Tsy ampy intsony ny hoenti-manana mifindrafindra. Miova toerana isan-taona mantsy farafaharatsiny ny mpitsara iray nefa tsy misy fanonerana ara-bola, raha atao ny kajy tsotsotra. Tsy latsaky ny 3 tapitrisa ariary, ohatra, ny vola lany amin’ny fifindran-toerana miala any Fianarantsoa mankany Antsiranana.

TT : Efa nisy ve ny fifampiresahan’ny SMM tamin’ireo tompon’andraikitra mpanapa-kevitra ?

AA : Efa nisy ny dinika tamin’ny minisitry ny Fitsarana. Hangataka fihaonana amin’ireo mpikambana ao amin’ny «Conseil Supérieur de la Magistrature» kosa izahay amin’ny fivoriana ara-potoana manaraka amin’ny volana jolay.

TT : Tapitra ny fe-potoam-pitantanan’ny biraon’ny SMM tarihanao, manao ahoana ny tomban’ezaka tsotsotra ?

AA : Anisan’ny dingana lehibe vitan’ny sendika ny fahafahana maneho hevitra manoloana ny fanapahan-kevitra tsy mitombina raisin’ny rafi-pitsarana. An-dalana ihany koa ireo soso-kevitra fanatsarana ny sata mifehy ny mpitsara sy ny lalàna fanitsiana momba ny CSM.

Nangonin-dRamano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT