Actualités

Mpitsabo Malagasy FITRAMA Miara-miasa amin’ny dokotera ho an’ny taolana tapaka


  • Talata 15 Desambra 2020

Ny taolana tapaka ihany no tsy vita ao amin’ny orinasa Mpitsabo Malagasy ny

 

 

 

mitsabo sy mamerina izany amin’ny laoniny. Hiarahany miasa amin’ny dokotera manam-pahaizana izany ho an’ireo olona sendra izany fa ny ankoatra izay dia vitan’ity orinasa ity avokoa. Ho an’ireo olona tratry ny lozam-pifamoivoizana tamin’ny moto na fiara ohatra ka misy folaka na mivonto dia vitan’izy ireo izany. Amin’ny alalan’ny menak’omby sy sakamalaho no hanoran’izy ireo ny marary miampy ireo karazana huille essentielle maro isan-tsokajiny. Marobe ireo efa sitrana sy nahita vokatsoa hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina, tale jeneralin’ny orinasa Mpitsabo Malagasy FITRAMA ary tsy mampiasa zavatra hafa ankoatra ny zava-maniry izahay. Ankoatra izay hoy izy dia tsy manao dadarabe izahay na mijery vintana. Misy mantsy ireo olona tonga manatona azy ireo mba hijery vintana….fitsaboana no hatao hoy hatrany Rafanomezantsoa Jean Nirina, taratry ny lovan-tsofina efa nisy hatramin’izay izay tsy hita ny maharatsy azy ary tena manampy ny mpiara-belona tokoa. Tsiahivina moa fa amin’ireo zavatra tsy vitan’ny dokotera ihany koa no alefany ao orinasa Mpitsabo Malagasy FITRAMA hahazoan’ireo tsy salama fahombiazana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT