Actualités

Mpitrandraka harena an-kibon’tany 4 tapitrisa ny isany, tsy manana taratasy ny ankamaroany


  • Talata 19 Janoary 2021

Mahatratra 4 tapitrisa eo ho eo ny isan’ireo mpitrandraka harena an-kibon’ny tany manerana ny Nosy amin’izao fotoana izao.

 Olona mahafantatra fa misy harena ao amin’ny faritra misy azy ary mitrandraka avy hatrany izany mba hahafahany mivelona ny ankamaroan’izy ireo fa tsy manana taratasy ara-dalana. Tamin’ny fotoanan’ny fihibohana tamin’ny taon-dasa raha ny nambaran’izy ireo no tena nampitondra faisana azy. Tsy nisy afaka nandray ny entana izay efa notrandrahan’izy ireo mantsy ireo mpandray ny entany ankoatra ny tsy fahafahana nivoaka ny trano. Hamondrona ny heriny hanatsara ny ho aviny izy ireo araka izany. Anisan’ireny ny fidirana amin’ny ara-dalana amin’ny alalan’ny fangatahana alalana avy amin’ny Ministera mpiahy sy ireo ambaratongam-pahefana rehetra. Tsiahivina moa fa any amin’ny faritra no tena betsaka ahitana ireo mpitandraka madinika. Misy amin’izy ireny no vehivavy miaraka amin’ny zanany, tsy mandry andro aman’alina mikaroka izay mahasoa ho an’ny ankohonany.

Pati

 

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT