Actualités

Mpitatitra Mba haka ny anjarany koa


  • Alarobia 09 Mey 2012

Tsy mbola tena mivaha tsara akory ny olan’ny mpampianatra amin’izay fitakiana ataon’izy ireo dia efa manambana any indray ireo mpitatitra.

 Nisy ny fivoriambe nataon’ny fivondronamben’ny mpitatitra eto Antananarivo Renivohitra omaly, ka nandritra izany no nanambaran’izy ireo fa hisy ny fitokonana atao ny alatsinainy 14 mey ho avy izao. Amin’io alatsinainy io izany dia tsy hiasa ny taksibe eto an-drenivohitra mivondrona ao amin’ny UCTU. Ny anton’izany moa dia fanairan’izy ireo ny fanjakana mba hanome ilay "subvention" na vola fanampiana, satria ambaran’izy ireo fa tena efa henjana ny fandaniana noho ny fiakaran’ny vidin-tsolika sy ny fahalafosan’ireo kojakoja ilain’ny fiara. Iray andro taorian’ny nanombohan’ny fihaonan’ny filohan’ny tetezamita sy ny SEMPAMA no nitrangan’ity fanambaran’ny mpitatitra ity. Ny mpanara-baovao dia mahatakatra tsara fa tsy kisendrasendra izany na fifandrifian-javatra, fa tena tonga amin’ilay fitenenana hoe : veleso ny vy dieny mafana !

Nanaiky ny hiresaka tamin’ny mpampianatra ny filohan’ny tetezamita ary tsy nanda ny amin’ny mety hampitomboana ny sorabola atokana amin’ny fampisondrotana ny tambin-karaman’izy ireo. Mialoha kelin’io dia nilefitra nanoloana ny fitakian’ireo fiarabe mpitatitra entana ny fanjakana, ka manantena indray ankehitriny ny mpitatitra eto an-drenivohitra fa mba ho avy ny anjaran’izy ireo. Mazava be ny resaka eto fa efa tsy nahavita namaha ny olana ny ministeran’ny fitaterana koa dia tsy maintsy hiakatra eny Ambohitsorohitra, indray izany ato ho ato ny mpitatitra. Raha milamina ihany mantsy, amin’ity herinandro ity ny fampianarana ka miverina misokatra avokoa amin’ny herinandro ambony io, ireo sekolim-panjakana nikatona, dia ny taksibe hitatitra ny mpianatra indray ve izany no hitokona ka tsy hiasa ? Don-tandroka avy hatrany ny an’ny mpitatitra mandrangaranga fitokonana mandritra ny 24ora satria izay manao izany, mantsy dia toa mahazo izay ilainy avokoa, na dia hoe amin’ny ampahany ihany aza. Ho hita eo indray ny ho fihetsiky ny fitondrana tetezamita manoloana ity fitokonana hotanterahan’ny mpitatitra amin’ny alatsinainy ho avy izao ity !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT