Actualités

Mpitandrina Lala Rasendrahasina Mangataka amin’ny Praiminisitra hamohana ny Radio Fahazavana


  • Talata 20 Martsa 2012

Raharaha anisan’ny mbola mitana ny sain’ny maro ny mikasika ny Radio Fahazavana, onjampeon’ny Finagonan’i Jesoa Krsity eto Madagasikara na FJKM.

 Nisy ny taratasy nalefan’ny filohan’ny FJKM, Rasendrahasina Lala, mpitandrina, any amin’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta iraisana, Beriziky Jean Omer, ny 28 febroary 2012 teo, mangataka ny hanokafana ny Radio Fahazavana, “izay fitaovam-pifandraisana sy serasera an’ny FJKM”. “Izany dia ho fampiharana ny lalàna 2011-014 ary mba ho fanohizana ny ezaka ataonareo fitondram-panjakana ho amin’ny fitoniana eto amin’ny firenena”, araka ilay taratasy hatrany. Nampiarahan’ny filohan’ny FJKM tamin’io fangatahana io ny taratasy mirakitra ny tatitry ny fivorian’ny mpiandraikitra foibe FJKM tamin’ny 19 oktobra 2010. Andrasana, araka izany, ny ho tohin’ity taratasy ity. Tsy ny FJKM irery rahateo no manana radio sy fahitalavitra nakaton’ny FAT fa am-polony maro izy ireo. Nisy tamin’izy ireo no nahazo fampanantenana fa hosokafana tamin’ny faran’ny volana febroary 2012 iny, saingy hatreto aloha dia tsy mbola hita ny akon’izany.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT